Boky Voalohan'ny Mpanjaka

Toko faha-11

4 Fa nony tamin'ny fahanteran'i Salomona, dia natongilan'ny vadiny ho amin'ny andriamani-kafa ny fony, ka tsy mba an'ny Tompo Andriamaniny manontolo, toy ny fon'i Davida rainy, ny fony, 5 fa nanaraka an'i Astarte andriamani-bavin'ny Sidoniana Salomona, sy an'i Melkoma, fahavetavetan'ny Amonita. 6 Koa nanao izay ratsy teo imason'ny Tompo Salomona, fa tsy mba nanaraka an-tsakany sy an-davany an'ny Tompo, tahaka an'i Davida rainy. 7 Tamin'izany nanorina fitoerana avo Salomona teo amin'ny tendrombohitra tandrifin'i Jerosalema, ho an'i Kamosa fahavetavetan'i Moaba, sy ho an'i Malaoka, fahavetavetan'ny taranak'i Amona. 8 Nanao toy izany koa izy ho an'ny vadiny hafa firenena rehetra, izay nandoro zava-manitra sy nanatitra sorona ho an'ny andriamanitr'izy ireo. 9 Dia tezitra tamin'i Salomona Iaveh noho ny nivilian'ny fony niala tamin'ny Tompo Andriamanitr'Israely izay efa niseho taminy indroa,

10 sady efa nandrara azy ny amin'izany, mba tsy hanarahany andriamani-kafa, nefa tsy nitandrina ny didin'ny Tompo izy. 11 Ka hoy Iaveh tamin'i Salomona: Noho izao fitondran-tenanao izao, ka tsy mba nitandrina ny fanekeko sy ny lalako izay nandidiako anao hianao, dia hotsoahako marina tokoa eo an-tànanao ny fanjakana, ka omeko ny mpanomponao. 12 Tsy hataoko amin'ny andronao anefa izany, noho ny amin'i Davida rainao, fa rahefa mby amin'ny zanakao vao hoendahako aminy izy. 13 Ary tsy dia ny fanjakana manontolo koa aza no hoendahako, fa hamelako foko iray ihany ny zanakao, noho ny amin'i Davida mpanompoko, sy noho ny amin'i Jerosalema izay voafidiko.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0621